You are here: home > Tononkira > Aina Asr

Deraiko Izy (Aina Asr)

[1] :
Tsy misy tsara
Afa-tsy 'lay Ray be fitia.
Fitiavana Izy
ny heriny tsy hay ho lazaina.

[Chorus] #1 :
  Fa na bika na harena
  na hoe fahendrena
  tsy azoko hatao
  reharehako.
  F'ilay Ray ambony ao
  dia 'lay tsara indrindra
  no asandratro avo.

[Chorus] #2 :
    Ka Deraiko Izy
    Tsara ny asanao Ray malala ô
    Ka Deraiko Izy
    Fitiavana manolotra aina
    Ka Deraiko Izy
Tsiky dia ampy   Ianao mamelon'izao rehetr'izao
    Ka Deraiko Izy
    Izay rehetra voaary manaiky Anao

[2] :
Tsy misy hendry
Afa-tsy 'lay Ray mahagaga
Mahagaga Izy
Fa azy izao rehetr'izao

[Chorus] #1 . . ,

[Chorus] #2 . . ,

[Bridge] :
_Indrisy, indraindray
_tsy tsapanay zany,
_noho ilay fitsapam-pitokiana.
_Tsy mendrika aho,
_fa meloka aho,
_ka mamelà ahy Ray ô.
_Mba ho velona aho,
_ka hideranao !

[Chorus] #2 : . . .

Hevitra mandeha

ainaasr0 (15/07/2016 13:52:39)

Tohano i Aina Asr ,

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha