You are here: home > Tononkira > Ai-manantsoa

Tsy atsahatro (Ai-manantsoa)

Mafy ireo ady izay lalovako eto an-tany
Mila tsy ho zaka indraindray mitanondrika aho
Mitolefika  resy toy ny akoho voakapoka aho
Efa ambavahoan'ny famoizam-po
No indro tazako Ianao
  Tonga indray Ianao nampahery ahy...
  Izaho tsy ho kivy na ho ketraka
  Satria efa manana Anao

    Tsy atsahatro ny vavako
    Na isanandro vaky izao
    Na natory eny na mifoha
    Ilay finoana ato anatiko
    Dia ampy niandrasako
    Ny varavaran'ny lanitra hivoha,ho ahy
Ireo tsy finoana levonin'ny Fanahinao
Tsy maintsy mitraka aho ary hitodika Aminao
Fa teninao ny Izaho tsy ahafohy na koa hanadao anao
Maika moa fa hoe amin'izao mahazo ahy izao
Matoky tononkira.serasera.orgAnao aho

    Tsy atsahatro ny vavako
    Na isanandro vaky izao
    Na natory eny na mifoha
    Ilay finoana ato anatiko
    Dia ampy niandrasako
    Ny varavaran'ny lanitra hivoha,ho ahy

Tonga indray Ianao nampahery
Ry Ilay Andriamanitra fanahy

    Tsy atsahatro ny vavako
    Na isanandro vaky izao
    Na natory eny na mifoha
    Ilay finoana ato anatiko
    Dia ampy niandrasako
    Ny varavaran'ny lanitra hivoha,ho ahy

Izaho tsy ho kivy na ho ketraka
Satria efa manana Anao Jesoa

    Tsy atsahatro ny vavako
    Na isanandro vaky izao
    Na natory eny na mifoha
    Ilay finoana ato anatiko
    Dia ampy niandrasako
    Ny varavaran'ny lanitra hivoha,ho ahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ai-manantsoa
Mpamaky : 356
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ai-manantsoa
Tamin'ny : 15/04/2018 11:34:06
ID : 10546

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo