VONONA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Indreto izahay hihira ho Anao
Irinay Ianao ho kapiteninay
Ny deranay dia atolotray
Ho Anao ry Ray ho mandrakizay

Ref: Eh! dimy amby efa-polo taona izao
No nijoronay niderana Anao
Fa raha mbola velon’aina aho
Dia hitoetra hihira ho Anao
Ny HANITRY NY LANITRA Jesoa dia
Vonona andeha ho miaramilanao

2-Tariho ‘zahay Tompo tianay
Tsy hivily fa hifikitra Aminao
Ka n’aiza aleha n’inona atao
Dia fihino mafy ho eo an-tratranao

3-Ny voadinay dia mandrakizay
Ny hanompo Anao sy hanao ny sotrakao
Ka rais ore izao saotra izao koa
Mitoera Ianao ho eto anilanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1094
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 10/05/2017 10:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795