TSY HIVAVAKA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nigadona hono ny andro alahady ka nandeha nivavaka
Ny akanjo amin’izany dia hafa kely natao tena miavaka
Lamaody hono izao no enjehina ka sitrany mba herehina
Satriny angamba hisy devoly ireto mpiangona
Voasariko koa zay maso nijery ka dia nisompirana
Ny fipetrany amin’izany mihilangilana
Nefa he! ireto maso vilana
Tsy araka intsony ny hira natao fa toa jamba nihiratra

Ref: Izy anefa tsy taitra akory
Ny ao an-tsainy dia tsy hitory
Fa dia hampiseho izato hatsarana
Ka ny olona indray no tonga satana
Tena hafa ny anton-dia
Tsy hihaino ny litorjia
Tsotra ny tanjony dia izao
Ny hamilivily ny masonao, k’ialao

2-Niezaka indray izay olona teo ny hikipy tsy alaim-panahy
Tsy nisy nitoditodika intsony indrindra ny lehilahy
Ny rakitra ho eny amin’ny alitara
Ka sao indray taitre hijery tsara
Ho afa-baraka eny daholo raha hisy voafingana
Kanefa dia nisy ihany ireo voasarika teny ho eny
Nifantoka teny aminy indray nadritra ny toriteny
Tany an-trano vao tonga saina fa
Tsisy antony nivavahana
Lany andro very fotoana tsy ale ove nijanona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1097
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 08/05/2017 15:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723