TSY HANINDROA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Andriamanitra ô!
Tsy mendrika ity foko ity
Impiry koa no efa nania
Nihoatra ilay valanao
Andriamanitra ô!
Be koa ny ratsy natao
Nefa tsy very fa navotanao
Ity tenako efa nandao
Fa anio kosa aho e!
Dia hiondrika anaiky tokoa
Hivalo hifona fa diso ity fo
Tsy hamerina tsy hanindroa

2-Andrimanitra ô!
Mba raiso ty tenako ity
Mba hanolory izay tena fitia
Fa aza avela hahantra
Andriamanitra ô
Iriko izay ho paradisa
Ka aoka re mba tsy ho disadisa
Ny andro hitsaranao ahy
Fa anio mantsy aho e!
Dia hiondrika anaiky tokoa
Hivalo hifona fa diso ity fo
Tsy hamerina tsy hanindroa
RASAMISON Haja Soloniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1020
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 08/05/2017 15:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072