TSY AVY HIANTSO NY MARINA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsy ho avy hiantso ny marina Ianao Tompo ô!
Fa ny mpanota hibebaka
Izany no antony nidinanao tety
Hamonjy hanafaka izao tontolo izao

Fiv: Ny fahotako marobe
Ny toetrako tsy madio
Mba afaka handray ve
Anao Jesoa anio
Antenaiko inoako koa
Ianao no afaka manavao
Na ny saina na ny fo
Amin’izao fotoana izao

2-Tsy tonga hitsara na hoe hanameloka Ianao
Fa ho mpandresy lay ratsy
Ianao no sorona ho anay tsy mendrika
Handova fiainana mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1271
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 08/05/2017 15:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739