NDAO HIDERA AZY (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Andro malaza sady soa tokoa ilay andro nisehoan'i Jesoa
Izay nantenain'ny mpaminany koa
Hampiseho fihavanana ka
Mifalia sy mihobia mafy

Fiv: Ndao hidera Azy
Ndao hankalaza sy hihoby Azy
Ndao hidera Azy
F'izy no Tompon'ny tomponay

2-Ry Mpanjakanay raiso ny fonay
Ho fonenanao rahatrizay
Tano ho Anao f'efa manaiky
Ny famonjena izay vitanao
Ho anay, Aleloia!

Fiv
Izao no krismasinay
Tonga ny Kristinay
Jesoa ilay Mpanjaka ilay Mpanjaka Mpanjaka
Mpanjaka Mpanjakanay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 926
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hanitrynylanitra
Daty : 18/01/2018 16:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749