HO VERY MAINA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza no misy ny fitiavana, fihavanana
Satria ny eto an-tany tsy milamina
Fifamonoana herisetra fampahoriana
Zay no misy hatrany, hatrany

Dia ho very maina ary ve ny ainy
Satria izay olona antenainy
Tian’ady, mpampahory
Ny rà zay nalatsany mba ho antsika
Toa ho rara-poana sy nanjininika
Fa ny olona, tsy niova

Ireo fakam-panahy izay niadiany mafy
Na inona latsa sy eso nafafy
Nozakainy, nolanjainy
Na inona kapoka sy hirifiry
Tsy kivy Jeso fa vao maika nikiry
Niady irery, mba tsy ho very

Aiza no misy ny fitiavana, fihavanana
Satria ny eto an-tany tsy milamina
Fifamonoana herisetra fampahoriana
Zay no misy hatrany, hatrany

Rasamison Haja Soloniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 885
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 11/04/2017 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074