FA MBA HO AIZA KOSA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa mba ho aiza kosa ianao
Ry mpirenireny fatratra
Toa variana sy sondriana
Amin’ny andronao mandalo
Mankamamy ny haren’ny tany
Ka toa maneho finoana azy

Toa mifofotra sy sasatra
Ianao ry olombelona
Tsy mitsinjo izay ho farany
Hitsarana ny asanao
Manontany anao ny Tomponao hoe
Mba aiza izay anjaranao

Aiza izay mba foinao
Mba ho lova rahatrizay
Tsy ny zavatra tety
No ilain’ny Tomponao
Fa ny vatsin’ny fanahy
No takiana aminao

Izy efa nanomana
Fitoerana masina
Ho an’ireo izay matoky Azy
Ka mametraka ny anjara lovany
Tamin’ny fitokiana sy finoana
Mba handraisany fahamasinana izy
Avy tamin’i Jehovah tokin’ireo mino Azy

Ianao ry velona izay miasa fatratra
Aiza kosa re zay anjaranao
Amin’ny asa izay nanirahan’ny Tompo anao
Sao hadinonao fa tsy maintsy mbola ho avy ny andro
Zay hanivanana zay nafindra taminao teto an-tany

Hanontany anao ny Tompo amin’izany hoe
Aiza kosa re zay anjaranao
Sao nalevinao ny talenta nomena anao
Mba ho an’iza kosa ny vokatra izay nisasaranao
Toa tsy misy akory izay sombiny mba foinao ho Ahy (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1422
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 11/04/2017 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732