Dia gaga (AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra))

1-Dia gaga ny ankaso
Nahita ahy nitony
Tsy latsa-dranomaso
Na nitomany intsony
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

2-Ho gaga koa ny vola
Raha nanalavitra ahy
Mahita ahy tsy tola
Na reraTsiky dia ampyka am-panahy
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

3-Ny sofiko mikiky
Ho gaga manoloana
Ny endriko mitsiky
Toa andro lohataona
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra)
Mpamaky : 220
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : HANITRYNYLANITRA
Tamin'ny : 16/05/2017 18:25:09
ID : 9526

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo