Ataoko ahoana (AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra))

1-Ataoko ahoana moa ry Tompo be fitia
Ny hitanisa ireo soa efa vitanao
Tsy mendrika aho diso satria
Efa ninia nanidy ny foko tsy hidiranao
Ny halotoako rehetra efa fantatrao
Ny tsy finoako hatrizay efa hitanao
Kanefa Ianao nilaza tamiko hoe
Manantona, manantona
Koa indro aho efa mino fa nandre
Tsy mendrika aho kanefa indro manTsiky dia ampyoina

2-Ataoko ahoana moa ry Rain’ny famonjena
Ny hitantara ireo herim-pitiavanao
Tsy mendrika aho nefa nekenao
Mba ho anisa’ireo antsoina hoe malalanao
Toa fahazarako ny miafina ny endrikao
Zary fiainako ny ota tsy sitrakao
Kanefa Ianao nilaza tamiko hoe
Manantona, manantona
Koa indro aho efa mino fa nandre
Tsy mendrika aho kanefa indro manoina


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra)
Mpamaky : 209
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : HANITRYNYLANITRA
Tamin'ny : 16/05/2017 22:18:34
ID : 9524

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo