Aiza ho aiza ny lanitra (AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra))

Fiv :Aiza ho aiza ny lanitra misy anao ô ry olombelona ô
Efa mby ao anatiny sa variana eny ivelany
Fitoerna soa no efa voaman’ny Tompo Jesosy ao
Koa aiza ny lanitra no misy anao

1-Paradisa vaovao
Feno fiadanana no hita ao
Ka tononkira.serasera.orgmeteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao

2-Mba hevero zay toetranao
Sy izay asa vitanao hatrizay
Ka meteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao

3-Tsy misy afaka mankao
Raha tsy efa nandray fo vaovao
Ka meteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AHL (Antoko-mpihira Hanitry ny Lanitra)
Mpamaky : 66
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : HANITRYNYLANITRA
Tamin'ny : 16/05/2017 18:30:49
ID : 9519

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo