Masoandro Hafa (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet: Agrad
Tadidiko tamin'zany,
lavitra anao zany alahelo, lavitra anao zany tomany!
Fitiavana fa paradisa, nanjakan'ny fifaliana, tsy nisy izany disadisa!
Dia niray tsikombakomba, nifankahalala ny mombamomba,
Samy vonona dia niroso natao hatriminy fombafomba!
Voalohany teny amin'ny alitara, faharoa tapa-kevitra ny hanamboatra dimby sy fara!
Dia sanatria, ny fisian'ilay zaza ve no lasa olana!
Fa toa tambitamby sy safosafo nandritry ny sivy volana!
Tsy niady tsy nifamaly, tampoka teo izy tapa-kevitra hamafa ny lasa omaly!
Ny zaza tsy manan-tsiny dia efa hisedra sahady ny onjam-piainana!
Fa ho kamboty velon-dray tsisy na Dada hitarainana!

Réfrain: Skaiz
Mbola manantena foana ah!
Androany aho aloh mety misaona ah!
Fa, ny ampitso masoandro hafa indray!
Natokana ho ahy!
Annn, annn.

Couplet: Agrad
Tsy misomonga io fiainana io, na hikimpina mbola hita!
Fa ny vehivavy matanjan-tsaina tsy manaiky raha tsy tafita!
Fony ianao nilaozany iny mijaly nampahonena,
Fa feno fahendrena, ka tsy nandeha nivaro-tena!
Sanatria nivarilavo tany amin'ny zava-mahadomelina
Henatra ho an'ny fianakaviana
Henatra ho an'ny mpiara-belona
Fa anatra ny lasa
Tsy malahelo lehilahy iray izany koa satria vehivavy miasa
Tsy manary toky izany koa satria nandia sekoly
Mivavaha ho azy fa mety tsy sitrapony iny fa devoly
Aza sokafana ho azy intsony ny fonao efa nikatona
Fa zara aza ilay andro maloka teo mba efa takona

Réfrain: Skaiz
Mbola manantena foana ah!
Androany aho aloh mety misaona ah!
Fa ny ampitso masoandro hafa indray!
Natokana ho ahy!
Annn,annn.

Yô, ny anambadian-kiadanana
Tokatrano feno ranomaso aleo ihany tsy manana
Tsara mifampitso-drano fa mety tsy mifanambina
Aleo izy handeha fa ny anjarany efa miambina
Adala ny olom-belona tsy tia ny zanany!
Zava-poana ny trano sy harena raha izany no tsy ananany
Ireo tsy niteraka aza tsy fidiny, tsy afa-manoatra
Nomeny lamosina ny adidiny fa mahaiza foana misaotra

Réfrain: Skaiz
Mbola manantena foana ah!
Androany aho aloh mety misaona ah!
Fa ny ampitso masoandro hafa indray!
Natokana ho ahy!
Annn, annn.

Mbola manantena foana ah!
Androany aho aloh mety misaona ah!
Fa ny ampitso masoandro hafa indray!
Natokana ho ahy!
Annn, annn.
--------
Rohy:
Hevitra
Andrii_Mc_Velonasy ( 13/07/2018 12:03)
Ahitsio ihany rah misy ny tsy mety.Fa maninona rah toa ka tsy ampy ny tokony hasiana texte ny ao???
Mambinina ( 20/03/2019 19:58)
efa tsar ka !
hery ( 30/10/2021 09:15)
Efa nahitsiko sy nampiako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 6110
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Andrii_Mc_Velonasy
Daty : 13/07/2018 18:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074