Hihaona farany (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
resaka fiakanjokanjo
hatrizay za tsy niraika
fa ho an'ny fotoanantsika androany
avy za fa mba hianjaika hanaovako lay ranomanitra tinao taloha
hotsongotsongoiko sao mbola hifoha ny lasan-tsika roa
fa hatr@zao ny foko kely de tsy mety mba mionona
ninoninona resahiko ny anaranao no voatonotonona
ny fiainako misy banga
lanitra ? tsy mety manga
raha bangoina @ teny fohy dia hoe tsy zarizary angamba
ny afom pahatsiarovana mandoro
lay isika roa hatreny an dalambe eny mifampisary zoro
tantara mamy no hataoko anarany
tiako hiverenenana izy reny fa andao mba hihaona farany
reo teny manorisory aza manahy fefa tsy nentiko
ny fahitako anao defa mampisinda ny aretiko
fangatahako aza lavina
raha nitevika ah ny anaranao iny efa vitako kavina
ref : zao ihany aho de hiantso lay numerao
hihaona farany @nao raha mba mety e
androany aho mba hiova olom baovao
eo moa fa tsy manahy na vetivety e
hiantahanta kely @nao hankafy e
hisisika kely ah sao mbola misy fitia

samy nentin katezerana de nobaikon'ny fony
ireny tsy avela ho tompo toerana
mino aho fa samy tony
raha samy mbola tia nahoana de mifanasazy
de haratra sahady ve ty foko kely mbola zaza ?
hatongavako eto anio midika fa tsy hilavo lefona
vonona hanova ny lesoka ho lasa lesona
mba omeo sanjila farany
ze nosimbaiko rehetra , ao fa ho hefaiko ny sarany
ataovy an doha fa vitsy kely ny bandy sahy mifona
ny androany tiako ho mandrapihaona fa tsy ho veloma
ze fanapahan kevitrao tsy hifanomezan tsiny
fa fiangaviana sy mba ala nenina ny ahy iny
fa na samy hanana ny lalany , samy hanana ny namany
ndao ny fioarahantsika androany fenoina tsikitsiky farany
hamintinana anreo soa nifampizarana
na hifandimby aza ny taona ianao iny tsy aiko fafana
ref : .....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 7205
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miahyuna
Daty : 04/05/2018 16:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716