Crise (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
vola samy manana fa ny isany samy hafa
nenao mahazo daba fa ny anay mbola tsy tafa
raha tany anaty kilalao de iza no mitsatsaka
le vola maloto sa le karama vary masaka
izahay ve no voahozona
hanao asa an-terivozina
fa nareo zao manabekibo be otran'ny trozona
aondrana zay azo aondrana
bois de rose de ny hareona ankibon'ny tany jiaby an'azy hony bak'ozy
tsy misy izay tsy miakatra
sady am le tsy takatra
fa ny azy tonga lafatra
oviana vao tsy hiferin'aina intsony aho
oviana vao hanambola be am gony aho
ho tanterako ihany ve sa mbol ho nofinofy
tairo le milliard any afindrao aty bluetooth
amin'izay samy afaka mibontsina
fa mitovy fofona
ny anaranao hoe deba anaty farango sosona

crise
izay le teny soa mahalaza azy
crise
fa mahereza ra malagasy
crise
aizaa
crise
mala
crise
crise crise crise

raha mbola misy fo midoboka
eny fa na de ampidoboka
zah anisan'ireo si de aleo miantehitra hazo boboka
mila vaniny aho zah mikozy
ny arabe atao carreau

fa raha mba aoka re le kere tsy ho lasa au carre
tsy voahozona ka isan'andro zao zahao ho karemy
mikozy am-panajana sanatria manompa reny
tsy voatanisa am-bangovangony
fa ny ain'ny gasy mbola lafobe noho ny vangovangony
aoka izay ny crise torak'izay koa ny vandivandiny
fa ny frou tsisy
fa ny fré maoty
delestage lavabe
ah oui c'est la honte
lakolosy fanairana
solona pancarte
misolontonan'ny tsisy mihaino
misolotenan'ny bas quart
mitaky fiovana fa tsy hoe faly ny manohatra
mba tsy hisian'ny fandrobana sy le teny ambotsirohotra
izahay mila olona tsara
hanova an'i gasikara
olona mahakarakara
fa tsy hoe miala amin'ny kiloadoaka de hoe makarakara
tanindrazako tiako loatra
tiako raha mba taratara

fiainana tsy mi somonga
fa mandidy otrn'ny hareza
zahay mikozy tsisy mihaino fa mpitondra miady seza
ataony fa mirediredy zahay vao mihetsika de bedy
de tifirina am basy raha vao mitetika hi-grevy
am zao tsizarizay ny fandrim-pahalemena
fa izy na mikapa angamba lesy no mety ambenana
ah mix pista
fa mandalo ny henjana
izy hono ny tompony fa ntsika gasy vendrana

samy te ho tompondaka tsisy te ho vindinaka
le vahoaka no mizaka le tsy rariny
reo tsy mba marariray am fiakaran'ny vidim-bary
fitiavan-tena le be loatra tsy manjary
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 4050
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pmpo
Daty : 30/11/2017 15:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754