Alahelo (A&G Ofisialy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny toloko dia manambara ;
Fa malahelo ny fiainako
Lava tokoa raha ny tantara ;
sy ny mangidy efa niainako

Tsy fanomezam-pifaliana mantsy
Fa alahelo sy fitarainana
Tsy mba fatatro ny mamy
Fa mangidy ny ahy no iainana

Tsy tambitamby na teny mamy
No reko hampifaly fo
Fa lasa teny mankarary
Mila tsy ho zaka ;nefa atao ahoana moa

Tsy mba tsiky no omena
Raha mizotra ny lalana tsara
Fa toa endrika sorena
Dia izay no azo ambara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A&G Ofisialy
Vangy : 1645
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zandryhrene
Daty : 11/09/2018 21:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353