RENDRARENDRA (AFV Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rendrarendra marobe n’aiza toerana haleha
Nefa ireny tsy natao mba hahakivy anao
Mbola be reo tsy nandre ny filazantsara re
Koa meteza ianao hijoro hitaona azy ireo

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao
Noho ny hatanoranao
Fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao
Amin’ny fiteny sy fitondrantenanao

Ny eso latsa indraindray reo fitsapana mahamay
Toa vaomaika mampitraka izany fo sy fanahy
Na mavesatra tokoa ,mampiondrika ny loha
Aza kivy fa ny Tomponao no jereo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFV Anosibe
Vangy : 2162
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Randria7
Daty : 25/08/2017 02:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736