Vatolampiko ianao (AFA(akon'ny fanavaozana ambohimahitsy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo befitia ity ny zandrinao
manantona aho satria efa voafidinao
hiasa sy hanompo hanao ny sitrakao
ka ny voadiko anio hifikitra aminao

afoiko avokoa manomboka izao
ireo rendrarendra tsy ankasitrahanao
reo zavatsoan'ny tany zay mora simba koa
dia zavapoana ihany mamilivily fo

ny faniriako tompo mangataka aminao
havaozy re ny foko hanjary fo vaovao
ka ny fitiavanao no hery entiko
hanambara fa ianao no VATOLAMPIKO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA(akon'ny fanavaozana ambohimahitsy)
Vangy : 1349
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Niklaus
Daty : 03/03/2015 15:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713