Jesosy Irery Ihany (AFA ( Antsan'ny FAnompoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
rehefa mijay aho Ianao no intarainako
satria Ianao no andry iankinany fiainako
Ao aminao aho matoky fa tsy ho very
satria ianao mpamonjy matanjaka mahery

Ianao ilay kintana hitarika ny lalako
Ianao ilay kristy hitantana ny fiainako
tsy ho haiko ny tsy hisaotra anao tompo o satria
tsy manampaharoa ny fitiavanao kristy

Ref: Jesosy irery ihany no azao itokiana
Tsy mba manary anao naoviana na oviana
fitiavana tsy vidina sy lehibe indrindra
no atolony ho anao ka raiso izao

ny indrafonao lehibe io tsisy mpanana
fa na ratsy aza dia toloranao tanana
ny hadalana sy ireo ditra efa vitanay
nofafanao Ray satria tinao izahay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA ( Antsan'ny FAnompoana)
Vangy : 1421
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : randriamahar
Daty : 06/11/2018 14:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769