NDEHA HANARAKA AHY (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy ireo 'zay, tena manam-pitiavana
Hoy ny Tompo aminao, ndeha hanaraka ahy
Misy asa iray, ampanaoviko anao izao
Mba hanangona ireo mbola very manjehy
'Zao fiainana izao


Ajanony izay mety hisakana anao, mbola maro ireo asa atao
Fa izaho hanome 'zay ilainao ety
Mivonona handeha
Nefa izao kosa aloha, aoka ho ao an-tsainao
Tsara ho fantatrao fa tsy maintsy hahafoy an'ireo havanao
Sy izay rehetra tianao


Moa mba tsapanao ve f'efa tonga aminao izao
Ny antso manao hoe: *Efa vonona ve?*
Sao variana indray miahiahy ny fiainana
Hotakiana aminao izao antso izao
Amin'ny andro iray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Vangy : 1341
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : stewartfaniry2
Daty : 26/04/2015 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1544