Te hiadana va ianao? (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Raha izao fiainana izao
No hany antenaina ety
Dia anisany mahantra indrindra ianao
Ry sakaizako o!
Miserana ihany anie
Ny andro iainana ety
Samy ho levona avokoa
Izao rehetra itantsika izao

2)Raha izao tontolo izao
Dia tsy azo ianteherana
Fa mamitaka avokoa
Izay rehetra mba hatonina
Ho anao 'zay sasatra
sy trotraky ny ady ety
aoka tsy hamohy fo
Fa mbola ao 'lay be fitiavana

Ref: Te hiadana va ianao?
Te handova fiainana?
Raiso ho ao am-po
Jesoa ho Tomponao
Tomoera ao Aminy
Ka ialao ny ratsy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Vangy : 1544
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Daty : 22/04/2017 09:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714