Ny finoako (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Na dia mafy ny adim-piainana
Na koa rava ireo mba fananana
Tsy hamoy fo fa eo Ianao
Tompo Andriamanitro

2)Na tsy takatro ny fisainanao
Na tsy fantatro ny hitondranao ahy
Ekeko sy tiako foana Ianao
Zoky tsy manary ahy

3)Na marary sy tra-pahoriana koa
Na dia maizina 'zany lalako
Heriko sy fiononako
Eo Aminao Jesoa

Ref: Ampianaro aho hahatoky Anao
Hiaraka Aminao mandrakizay
Ampy fitiavana
Ny miankina Aminao Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Vangy : 1287
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Daty : 22/04/2017 09:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2081