Zao miandry Anao (Adilia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miandry Anao Tompo vangio re ny olonao
Maniry Anao mafy ny fanahy
Ianao vatolampy hitoeran’ny Fanahy
Avy Aminao ny famonjena ahy

Izay miandry Anao Jehovah ô
Dia mandroso hery
Elatra no hiakarako toy ny voro-mahery

Miandry Anao Tompo fiarovana avy ho ahy
Maniry Anao mafy ny fanahy
Ao amin’ny fiadananao no tiako hitoerana
Hifankazarako Aminao

Izay miandry Anao Jehovah ô
Dia mandroso hery
Elatra no hiakarako toy ny voro-mahery
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Adilia
Vangy : 3094
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 13/11/2018 10:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725