Tsy ampy (Abel Ratsimba)

Mpihira : Abel Ratsimba
Mpamaky : 2226
Nampidirin'i : Harisoa
Tamin'ny : 23/03/2003 11:06:13
ID : 1547

Imprimer Facebook Facebook


Niteny aho ka niteny
mamerimberina aminao
ny fikasako ombieny ombieny
hiara-tsambatra aminao
Nefa na dia sombiny aza
dia tsapako eny indrisy
fa tsy mbola ho voalaza
amin’ ny teny rehetra misy

Teny mamy, teny soa
miaro safosafo kely
eny tsy ampy avokoa
mbola tsy ampy velively
Koa dia tsoriko ry aiko
fa raha izao tontolo izao
tsy ahalala ny ato an-tsaiko
sy ny ao am-poko ao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo