You are here: home > Tononkira > Abel Andriarimalala

Fitia tsiambaratelo (Abel Andriarimalala)

Raha toa fitia ambaratelo
Ka tsy ho antsika samirery
Raha toa zaraina amin’ny hafa ny alahelo
Dia aoka hijanona hatreo

Raha izao ny hafaliako tsy ho zaraiko
Satria efa iraisako aminao
Raha toa ny hafa no hibahana ato an-tsaiko
Dia aoka hitoetra am’izao


Raha toa ka mahalala izao tontolo izao
Fa miombotononkira.serasera.orgna fitia izaho sy ianao
Ho foana tsisy intsony ny hasambarana
Ka vetivety dia hifarana

Fa raha fitia tsiambaratelo
Ka ho antsika roa irery
Antsika irery ny tsiky sy alahelo
Etsy aho raiso aho fa tia ahy ianao

Raha izao ny hafaliako tsy ho zaraiko
Satria efa iarahako aminao
Ianao no mahalala ny ato an-tsaiko
Ka raiso fa tiako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Abel Andriarimalala
Mpamaky : 5988
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 05/06/2009 15:38:30
ID : 5580

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo