Ampianaro (A.Tsa.Fi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampianaro aho hanao izay sitraponao, Andriamanitra o
Ampahafantaro koa mba hitandrina ny didinao, Tompo Masina o


Aza avela ny foko hirona amin-java-dratsy
Fa Ianao no Ilay efa nanavotra ahy hatrizay hatrizao.


Namaha 'reo nifatotra Ianao, nampahiratra ny jamba
Mahay mampitraka ireo izay mitanondrika
Tsy misy izay tsy vitanao
Koa ampianaro aho fa te-hihira ho Anao, ho Anao.


Andriamanitra o, hihira ho Anao aho
Hankalaza Anao aho raha mbola velon'aina koa
Hanandratra Anao aho, Mpanjakako
Fa tsara ny mihira ho Anao.


Ampianaro aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.Tsa.Fi
Vangy : 2006
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FyR..
Daty : 30/08/2016 14:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853