TANANA KELY (A.SA.FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanana kely iray
Tompo Masina ô no voafidinao
ilay tanana hahatongavanao
Hanavotanao hanavotanao
izao tontolo izao

'Lay tanana efa resin-tory tsy mba nihevitra anao akory
Nef' ianao indro fa nakao mba hitondra fiadanana
Tao betlehema tao Tompo masina ô no voafidinao

Mifoohaza ary ianao mba handray ny tompo
Betlehema kely ô fa voninahitrao izao
Fa na bitika sy kely aza ianao dia mifalia
fa efa nofinidy mba handray ilay Mesia
fa efa nofinidy mba handray ilay Mesia

Tanana Masina ô aza sondrian- tory
Fa indro ny famonjena miposaka aminao
Ry Betlehema kely , Ry betlehema kely

ô mifohaza ary ianao mba handray ny Tompo
ka aza sondrian-tory intsony re hatramin'izao
Betlehema betlehema
Tonga indray ilay Mesia mpanavotra anao

STK 9 TRANO FIANARANTSOA 1998
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.SA.FI
Vangy : 2581
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : paulramanantsoa
Daty : 05/03/2019 08:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3713