Aza misy an'izany (A.SA.FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Tompo manome fifaliana
Mampiravoravo! Oo oo oo oo.
Kanefa, nefa isika raha faly toa mivary lavo
Toa mivary lavo! Indrisy!
Tsy zarizary ny fiainana dia mitaraina.
Dia mitaraina o!
Nefa rehefa mifaly toa tsy mba misaina!
Fa tsy ao am-pontsika intsony Andriamanitra
Rain'ny fifaliana, fifaliana manaram-po tafahoatra isika variana, variana!
Atao ahoana ihany ny fomba itiavana
Antsika olona!

Tompo o! Aza misy an'izany a!
Sao sanatria ny hafaliako no hitarik'ahy
Hihataka Aminao!
Tompo o! Aza misy an'izany an an!
Ka ho fifaliana no hitarik'ahy ami-faharatsiana!
Oo oo!
Tompo o! Tsy aleo ve mba honena.
Sao dia mba ny fahoriana no ahatsiarovan-tena.
Fa satriko ho oriory italaho! Oo!
Toy izay mba faly ihany,
Kanefa tsy ao Aminao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.SA.FI
Vangy : 1987
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TinoFenohasina
Daty : 08/11/2017 10:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725