Lehibe Jehovah (A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ianao mandinika ahy Jehovah o iza moa no mba tokiko ry Ray
Voadinikao daholo ny tena,fo fanahy iza moa no mba azoko hianteherana ankoatra anao
mazava aminao ny halehako ny hitoeran’tongotro aza tsy fantatro
Na ny eo aloha, n any eo ivoho, ny minitra lalovako eo am pelatananao
Na ny androany,n any taloha eny eo am pelatananao
Tsy miafina eo aminao ka indro re ny vavako sokafako,hanambara izay tsy fantatro
Tsy misy teny tsy fantatrao eo am-bavako ary ny lelako tendreo,hilaza izay mbola tsy haiko
Ny saiko mba hisaina izay tsy takatro
Ouh ouh ouh ouh………………….. ary ny tenako hirao any amin’izay mbola tsy nalehako
FA LEHIBE IANAO JEHOVAH O
2. Fa Lehibe Ianao Jehovah o
Ny asanao izay tsy voafetra koa
Na ny fisainanao izay tsy takatro
Dia manambara ny voninahitrao
Dera ho anao Jehovah o
Fa ianao no Tompo sy Tsitoha,
Fa izaho izay mpanomponao
Andriamanitro, tsy miova hatrizay
Ianao no vatolampiko
sy anjarako mandrakizay
sy Tompoko manda aron’ny fanahiko
Hanatanteraka am panajana ny sitrakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana)
Vangy : 2212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nellah
Daty : 14/11/2017 14:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739