Raiso Jeso (A.FAM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo harenanao tsy misy entinao
Na fanjaitra iray akory any an-danitra
Setrasetranao io tsy hitondranao ankaiza
Sao dia hanenenanao any am-parany

Ref: Fahendrena no tena tsara indrindr
Io no lovasoa tsara ho anao
Eto an-tany dia zava-poana ihany
Raiso Jeso mba ho tena fiainanao

Izay manetri-tena sy manam-pahendrena
Dia omen'ny Tompo fifaliana sesehena
Koa ialao dieny izao
Ireo toetra ratsy fanaonao
Fa hanadinana anao any am-parany

Ref...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.FAM
Vangy : 2266
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Toavininosy
Daty : 03/11/2016 21:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736