You are here: home > Tononkira > 5x5

Tsy anjara (5x5)

Dada ô, tena lasa tokoa mantsy ianao
Nilaozanao 'ty neny tsy nahafoy anao
Tsy anjara mitongilana, fa tsy azo hidovirana
No nandrakotra ny anjara masoandrony.

Ref:
Dia ataoko ahoana ny tsy hatsiaro
Ilay Raiko izay tsy foiko
Dia ataoko ahoana ny tsy hitomany
Fa tsy ampy ny fitiavany
Dia ataoko ahoana ny tsy hitomany
Mijaly ny tantarany
Dada malala ô, mandriatononkira.serasera.orgm-piadana.

Dada ô, namela kamboty maro ianao
Nilaozanao ireo zanaka aman-jafinao
Matoa izahay mifamela hatrany
Dia mbola manantena ihany
F'indray andro mbola hihaona any ankoatra any.

Neny ô, izao no fampiononanao
Mitrakà fa fiainana an-tany izao
Jereo ireto zanakao
Ny adidy izay sahaninao
Antenao ilay maraina vaovao.

Ref: ..................(x2)

Dada malala ô, mandriam-piadana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 5x5
Mpamaky : 100
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 11/07/2018 08:24:35
ID : 10719

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo