You are here: home > Tononkira > 5x5

Tso-drano mbola tia (5x5)

Ianao 'lay mba natenaiko teo amin'ny fiainako
Toa lasa fahavalo namela ratra ao am-po
'Lay fitiavako mira-mendrika dia nosimbainao
Natakalonao harena mora loha. (x2)

Aoka anefa ho fantatrao
Fa zava-poana ange izao tontolo izao
Ka anatra no azako atao
Mba itandremanao ny amin'ny sisa.

Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Ô o ô ôh!!!

................

Fitiavana marina no asolonao rendrarendra
Lamaody sy ny sisa, hisy Tsiky dia ampyfarany avokoa
Tso-drano mbola tia no entiko mampivily ny masoko
Tsy ahita, tsy ahita intsony ny endrikao

Aoka anefa ho fantatrao
Fa zava-poana ange izao tontolo izao
Ka anatra no azako atao
Mba itandremanao ny amin'ny sisa.

Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Ô o ô ôh!!!

..................

Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Vola tsy mahery fa toe-tsainao no very
Vola tsy mahery fa diso ianao
Ô o ô ôh!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 5x5
Mpamaky : 777
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 20/03/2018 20:29:15
ID : 10481

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo