Fanontaniana sy valiny

Eto no ahitanao ny fanontaniana madinidinika rehetra sy ny valiny.

Momba ny takelaka tononkira

  1. Inona no ato amin'ny takelaka tononkira.serasera.org ?

    Ny takelaka tononkira.serasera.org dia takelaka vokarin'ny serasera.org ahitana tonokira, mpihira ary tondrom-peo Malagasy.

  2. Inona izany tondrom-peo ?

    Tondrom-peo no iantsoana ny marika anehoana ny feon-gitara aseho eto amin'ny tononkira. Tablatures no iantsoana azy amin'ny teny frantsay.

  3. Ahoana no fampidirana tondrom-peo ?

    Ny tondrom-peo dia miaraka amin'ny tononkira. Raha manana tondrom-peon'ny hira iray ianao dia mandehana ao amin'ilay tononkira, dia jereo fa misy hoe Hampiditra tondrom-peo ao.
  4. Aiza no mangataka ny tononkira mbola tsy ato ?

    Raha misy tononkira tadiavinao kanefa tsy ato dia azonao angatahina ao amin'ny forum momba ny Artista sy Hira. Tsindrio ny rohy eto ambany.
    http://forum.serasera.org/forum/topic/t3e9ac48646e2e
    Aza mandefa hafatra aty aminay satria tsy manana tononkira hafa izahay.

  5. Ahoana no hampidirana hira ?

    Ny namana serasera ihany no afaka mampiditra hira ato amin'ny tononkira. Raha mbola tsy namana ianao dia mila misoratra anarana eto.
    Raha efa namana ianao dia mandehana etsy amin'ny hoe Tononkira - Hampiditra tononkira. Ampidiro ny lohateny, fidio ao anaty lisitra ny mpihira dia apetraho ny tononkira. Raha tsy ao anaty lisitra ny mpihira tompon'ilay tononkira dia mila mampiditra mpihira indray aloha ianao.
    Fanamarihana Tononkira malagasy ihany no horaisina eto.

  6. Azo antoka ve ny tononkira eto amin'ny tononkira.serasera.org ?

    Ny tononkira eto amin'ny tononkira.serasera.org dia averimberina ihany fa tononkira ampidirin'ireo mpikambana namana ato ihany. Noho izany mety hisy hadisoana. Raha mahita hadisoana ianao dia mandefasa fanitsiana ao amin'ny mpandrindra.

  7. Ahoana ny fipetraky ny zon'ny mpamorona ?

    Ny serasera.org dia manaja tanteraka ny zon'ny mpamorona. Ny tanjona dia ny hampahafantatra hatrany ny tononkira malagasy. Raha toa anefa ka misy mpanakanto milaza aminay ny tsy hamoahana ny tononkirany dia voatery hoesorina ny tononkirany rehetra.

Momba ny Tononkira Android

  1. Aiza no hahitana ny tenimiafina amin'ilay Tononkira android?

    Ny tenimiafina amin'ilay tononkira android dia azonao alaina ao amin'ny http://tononkira.serasera.org/android marihina fa miova isam-bolana io.

  2. Isaky ny oviana no misy hira vaovao ao amin'ny Tononkira Android?

    Isaky ny misy hira maromaro tonga dia ampidirina ao amin'ny Tononkira Android. Tsy misy daty voafaritra.

 

Raha mbola misy fanontaniana dia apetraho eto ambany.

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.062